• Akon'i Gasikara - Mafy ny fiainana ao Mandritsara
    Jun 2 2024
    Efa ny Malagasy manerana ny Nosy no mahatsapa fa mafy ny fiainana andavan'andro. Mpitondra Bajaja sy mpandinika ny raharaham-pirenena no milaza ny sationan'ny fahorian'ny vahoaka ao Mandritsara, faritri'i Sofia, izay mahatsapa fa adinon'ny mpitondra. Na izany aza dia miandrandra ny firenenan tan-dàlana ihany ny vahoaka na dia maro aza ireo hetsika maro ataon'ny mpitondra tsy mifanaraka @ izany.
    Show more Show less
    3 mins
  • Mba Fantatrao ve ? - Ny asa sy andraikitry ny Solombavambahoaka - Tapany faharoa
    May 26 2024
    Noho ny fangatahana fanazavana fanampiny momba ny asa sy andraikitry ny solombavambahoaka avy amintsika mpihaino, dia nasiana tapany faharoa ity fandaharana ity. Tokony ho tankintsika ihay koa ny mangarahara mahakasika ny fampiasana ny tetibola izay tantanan’izy ireo fa tsy solombavambahoaka hihinana ny volambahoaka akory no ifidianana azy ireo sanatrian’ny vava. Fa solombavambahoaka hitondra ny hetahetambahoaka sy hanasoa ny farimpianan’ny vahoaka izay nifidy sy nametraka ny fitokisana tamin’izy ireo. Mazava fa olona hampandany ny lalàna hampiharina eto amin’ny firenena no ilaintsika.
    Show more Show less
    11 mins
  • Mba Fantatrao ve ? - Ny asa sy andraikitry ny Solombavambahoaka - Tapany voalohany
    May 9 2024
    Fandaharana izay hanaovana fitaizana olom-pirenana araky ny fampahafatarana izay efa natao, eto amin’ny radio Soa i Madagasikara. Ny fanontaniana izay hezahintsika ho valiana amin’ity fandaharana voalohany ity dia ny hoe : « Mba fantatrao ve » ny asa sy andraikitry ny solombavambahoaka araky ny voalaza ao anaty lalampanorenana ?
    Show more Show less
    11 mins
  • Akon'i Gasikara - Ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety
    May 4 2024
    Aiza ho aiza ny fahafahana sy ny fahalalahana misy ho an'ireo mpanao gazety rehefa hamoaka ny vaovao marina eto amintsika. Ny famakafakan'i Hervé RAKOTOZANANY, mpanao gazety sy mpampianatra.
    Show more Show less
    3 mins
  • Mba fantatrao ve ? - Fanolorana
    May 2 2024
    Fandaharana izay hanaovana fitaizana olom-pirenana izay anasana antsika olompirenena rehetra mahatsapa fa manana adidy sy andraklitra amin’ny mpiaramonina sy ny mpiarabelona satria ny fahalalana dia harena.
    Show more Show less
    10 mins
  • Fatambary - Ny Vehivavy Malagasy
    Apr 22 2024
    Raha vao miresaka an’i Madagasikara isika dia anatin’ny saina avy hatrany ny teny hoe « Firenena » ; izany ahenoana ny teny « Reny ». Anio isika dia hiezaka ny hamaritra ny toe-tsaina sy ny fitondran-tena ary ny toeran'ny Vehivavy eto eo @ fiaraha-monina malagasy. Aina ny Vehivavy Malagasy, satria mampita, mitondra ary miaro izany eo anivon’ny ankohonany sy ny mpiara-belona aminy. Ravaka ihany koa satria mampiseho ivelany ny hakantony, ny halefahany, ary azo lazaina koa fa maneho ny maha SOA an’i Madagasikara.
    Show more Show less
    5 mins
  • Fatambary - Tanisa Faharoa
    Apr 15 2024
    Tohin'ny fandaharana miresaka ny tahanisa vitsivitsy momba an'i Madagasikara. Toa ny fitomboan'ny mponina sy ny toerana misy ny tanora eo an'inivon'ny fiarahamonina malagasy.
    Show more Show less
    4 mins
  • Fatambary - Tanisa Voalohany
    Apr 8 2024
    Amin’ity fandaharana ity dia itodika kely ny momba ny tahanisa vitsivitsy isika izay novinanian’ny famatsiam-bola iraisam-pirenena, ho an’ity taona efatra ambin’ny roapolo sy roa arivo ity. Isa manome hanampy antsika hisafidy ny lohahevitra aroso eto.
    Show more Show less
    4 mins