Episodios

  • Ny adidy sy andrikitry ny olompirenena aorian’ny fifidiana
    Mar 17 2025
    Ny demokrasia dia fahefan’ny vahoaka, avy amin’ny vahoaka, ho an’ny vahoaka. Fahefan’ny vahoaka (satria vahoaka masimandidy). Ary avy amin’ny vahoaka (Izay voalazantsika teo hoe mamindra ny fahefana amin’ny olomboafidy amin’ny alalan’ny fifidinana). Fa indrindra ho an’ny vahoaka (Mba ahafahan’ireo mametraka volavolan’asa ho ampandrosoana ny firenena, ho fanasoavana ny vahoaka ao aminy). Arak’izany ny olomboafidy dia natao hitsinjo izay hahasoa ny firenena sy ny vahoaka manontolo.
    Más Menos
    12 m
  • Ny voalaza ao anaty lalampanorenana momba ny Kaominina
    Dec 1 2024
    Ny fanontaniana azontsika tonga dia apetraka avy hatrany dia hoe : Tena mizaka tena ara-pitantanana sy ara-bola araky ny voalazan’ny lalampanorenana tokoa ve ny nondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana sa tsia, fa mbola tsy izay moa ny resaka eto androany. Voalaza ihany koa ao amin’io ndininy faha-139 io fa ny vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana no sehatra eo amin’ny rafi-pitondrana ahazoan’ny olom-pirenena mandray anjara amin’ny fitantanana ny raharaham-bahoaka ary miantoka ny fanehoana izay fahasamihafana misy eo amin’izy ireo sy ny mampiavaka azy.
    Más Menos
    13 m
  • Ny Repoblika nifandimby teto Madagasikara - Tapany voalohany
    Jun 26 2024
    Ny repoblika voalohany dia ny « Repoblika Malagasy » izay nanana ny teny filamatra : Fahafahana-Tanindrazana-Fandrosoana, nanomboka tamin' ny 14 Ôktôbra 1958 ka hatramin’ ny 30 Desambra 1975. Ny lalàmpanorenana voalohany dia nanan-kery nanomboka ny 29 Avrily 1959. Ny nanambarana ny fahaleovan-tena kosa dia ny 26 Jona 1960 Ny lalàmpanorenana voalohany dia nametraka ny antenimirampirenena sy ny antenimierandoholona.
    Más Menos
    11 m
  • Ny asa sy andraikitry ny Solombavambahoaka - Tapany fahatelo
    Jun 25 2024
    Resaka momba ny asa sy andraikitry ny solombavambahoaka tapany fahatelo araky ny voalaza ao anaty lalampanorenana manomboka eo amin’ny andininy faha-68 hoe : Ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona no mandrafitra ny Antenimiera. Izy no mandany ny lalàna sy manara-maso ny asan'ny Governemanta ary ny fanaovana tombana ny politikam-panjakana izay efa voalaza tamin’ny fandaharana tapany voalohany.
    Más Menos
    15 m
  • Ny asa sy andraikitry ny Solombavambahoaka - Tapany faharoa
    May 26 2024
    Noho ny fangatahana fanazavana fanampiny momba ny asa sy andraikitry ny solombavambahoaka avy amintsika mpihaino, dia nasiana tapany faharoa ity fandaharana ity. Tokony ho tankintsika ihay koa ny mangarahara mahakasika ny fampiasana ny tetibola izay tantanan’izy ireo fa tsy solombavambahoaka hihinana ny volambahoaka akory no ifidianana azy ireo sanatrian’ny vava. Fa solombavambahoaka hitondra ny hetahetambahoaka sy hanasoa ny farimpianan’ny vahoaka izay nifidy sy nametraka ny fitokisana tamin’izy ireo. Mazava fa olona hampandany ny lalàna hampiharina eto amin’ny firenena no ilaintsika.
    Más Menos
    11 m
  • Ny asa sy andraikitry ny Solombavambahoaka - Tapany voalohany
    May 9 2024
    Fandaharana izay hanaovana fitaizana olom-pirenana araky ny fampahafatarana izay efa natao, eto amin’ny radio Soa i Madagasikara. Ny fanontaniana izay hezahintsika ho valiana amin’ity fandaharana voalohany ity dia ny hoe : « Mba fantatrao ve » ny asa sy andraikitry ny solombavambahoaka araky ny voalaza ao anaty lalampanorenana ?
    Más Menos
    11 m
  • Fanolorana
    May 1 2024
    Fandaharana izay hanaovana fitaizana olom-pirenana izay anasana antsika olompirenena rehetra mahatsapa fa manana adidy sy andraklitra amin’ny mpiaramonina sy ny mpiarabelona satria ny fahalalana dia harena.
    Más Menos
    10 m